Sosialy

Fitrandrahana volamena- reniranon’i Kamoro Teratany vahiny iray no nosamborina


  • Talata 21 Martsa 2023

Teratany vahiny iray no voatery nosamborina omaly tany amin’ny kaominina ambanivohitr’i Makoro, distrikan’i Maevatanana Faritra Betsiboka.

Raha tsiahivina kely ny tantara dia nametraka fitaovana maromaro fitrandrahana volamena tsy nahazoana alalana tao amin’ny reniranon’i Kamoro izy io niaraka tamina sambokely iray. Efa nisy ny fotoana nanakatonana io toerana io saingy mbola nanao ny nataony ihany ilay tera-tany vahiny. Voatery nogiazana avokoa ireo fitaovana ireo noho izany izay fantatra fa tena manara-penitra tokoa. Noesorina ihany koa ireo kojakoja sy fitaovana efa nahazo toerana mba hanao izany fitrandrahana izany, asa nataon’ny polisin’ny harena an-kibon’ny tany tany an-toerana. Raha araka ny loharanom-baovao azo hatrany moa dia efa misy tambajotran’olona manao ity asa fitrandrahana volamena tsy ara-dalana ity any an-toerana ka efa miroso amin’ny fikarohana azy ireo ny Ministeran’ny harena an-kibon’ny tany sy ny mpitandro ny filaminana ankehitriny ankoatra ity tera-tany vahiny iray efa nosamborina ity.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT