Tokony hojerena manokana ny lalàna mahakasika ny harena ankibon’ny tany (codes miniers) mba ho tombony amin’ny vahoaka Malagasy ny fitrandrahana,
hoy ny Depiote Tsabotokay Honoré lany tao amin’ny distrikan’i Vohipeno faritra Vatovavy Fitovinany. Ankoatra ny olan’ny fananan-tany sy ny tsy fandriampahalemana izay mampikaikaika ny mponina any dia mahazo tombony sy manankarena ny kaompania vahiny manao ny fitrandrahana volamena, hoy izy. 1% monja no homena sy azon’ny fanjakana kanefa tokony ho 30% na hisasaka mihitsy ny tombony ifampizarana. Misy ary manana volamena betsaka i Vohipeno kanefa ny Malagasy tompon’ny harena indray no tsy misitraka ny tombontsoa ary mahantra fadiranovana ny mponina. Nangataka amin’ny Fanjakana ny hamerenana ny seranan-tsambon’i Manakara sy ny fanamboarana ny lalana ihany koa ity depiote ity satria maro be ny vokatra any an-toerana kanefa amidy varoboba noho ny tsy fisian’ny fotodrafitrasa. Any Vohipeno no manankarena lodsia, indrindra eto Madagasikara ary ankoatr’izay dia misy kafe, jirofo, lavanila izay vokatra afaka hitondra fampandrosoana any ifotony. Tokony hisy ihany koa ny orinasa fanodinam-bokatra, hoy izy satria tena maro be ny vokatra. Nanaitra ny fanjakana ihany koa ny tenany satria ny tapany Andrefana tahaka an’Ilakaka iny dia tena olana ny tsy fandriampahalemana noho ny tsy fahampian’ny zandary sy ny basy.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.