Sosialy

Fitrandrahana ny farihin’i Tritriva Lehilahy iray tsy nahazo alalana no tratra


  • Talata 23 Jolay 2019

Lehilahy iray izay tsy nahazo alalana akory avy amin’ny minisiteran’ny tontolo iainana, efa nitrandraka ny farihin’i Tritriva ao Antsirabe nandritra ny fotoana maro no tratra ka nampiatoana tamin’izany.

 

 

  Raha ny fanazavan’ny Ben’ny tanànan’Antsirabe, efa in-telo nampitandremana ity lehilahy ity saingy tsy niraharaha fa ny nataony ihany no nataony. Mampiasa ireny “cable” lehibe hahafahana miampitapita any anaty ala ireny izy izay fantatra fa efa tena nahazoany vola betsaka tokoa. Nirotsaka an-tsehatra anefa ny talem-paritry ny tontolo iainana any an-toerana rehefa nahalala ny tena marina ka nanaiky ny hiala ilay lehilahy. Marihina moa fa tafiditra ao anatin’ny vakoka iraisam-pirenena arovana ny farihin’i Tritriva noho izany tsy azo ekena ny fitrandrahan’olon-tsotra tsy ara-drariny izany.

Pati

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT