Sosialy

Fitrandrahana fasimainty ao Toliara Raikitra ny adihevitra ara-tsiantifika sy ara-tsosialy


  • Alakamisy 09 Aogositra 2018

Lasa olana ny raharaha fitrandrahana fasimainty ao Toliara amin’izao fotoana. Misy zanak’i Toliara nanao fikarohana niaraka tamin’ny Toliara Sands ary nandeha laboratoara iraisam-pirenena tany Montpelier any Frantsa, ka ny zavatra hita tao dia Thorium 232, Uranium 238, Potasium 40, hoy ny depiote Siteny Randrianasoloniaiko.

 Aretina no dikan’izay, hoy izy. Ny Uranium, ohatra, dia fanamboarana baomba atomika. Ohatra nolazainy ny hoe hatramin’izao dia mbola misy zaza tsy misy maso any Japon satria mbola mipetraka ary tsy azo hetsehina noho ny karazana taratra “radioactif” tamin’ny daroka baomba nataon’ny Amerikanina tao Hiroshima sy Nagazaki ny taona 1945. Nidina tany an-toerana kosa ny minisitry ny harena an-kibon’ny tany Henry Rabary-Njaka sy ireo minisitra zanaky ny faritanin’i Toliara, dia i Maharante Jean de Dieu sy Napetoke Marcel ny 7 aogositra teo, ary teo koa ny depiote Siteny Andrianasoloniako sy Brisson Erafa Helson. Ny tena olana dia misy manely tsaho hoe miteraka aretina ny fitrandrahana fasimainty, toy ny hoe tsy mampiteraka vehivavy, kanefa tsy misy porofo ary efa nisy ireo ben’ny tanàna nalefa nanadihady tany amin’ny QMM any Tolagnaro izay mitrandraka fasimainty ihany koa, saingy nilaza ho tsy nahita izay toe-javatra izay, hoy kosa ny minisitra Maharante Jean de Dieu, rehefa nakana vaovao. Ny depiote Siteny, dia mbola manohitra noho izay ahiahy ara-pahasalamana izay, fa ho anay, dia be loatra ny tahan’ny tsy fisian’ny asa any Toliara, be loatra ny fahantrana ka  aleo mba hisy fidiram-bola ny vahoaka, hoy izy. Ny ao La Batterie no nambarany fa misy ny olana noho ny ahiahin’ireo mpanjono hahasimba ny fivelomany noho ny fanamboarana seranan-tsambo, hoy izy. Tamin’ny taona 2012 moa no natao ny fifanarahana tamin’ny Toliara Sands, izany hoe mety efa nisy vola noraisin’ny tetezamita tamin’izany. Sao mba misy resa-bola indray ny zava-misy amin’izao ankoatra ny fivoizana resaka ara-tsiantifika sy ara-tsosialy ?


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT