Nirary soa ho an’ny mpiray tanindrazana ny filoha nasionalin’ny HAFARI
Malagasy Rafanomezantsoa Jean Nirina ny faran’ny herinandro teo. Enga anie ka ho lasan’iny taona 2020 iny ny ratsy rehetra hoy izy ary samy hahita fahasoavana avokoa ny rehetra. Amin’ny maha olona miaina anefa hoy isy dia tokony hijoro hatrany ary vonon-kandresy ny tsirairay. Mikasika ny tetikasan’izy ireo manokana dia hirona bebe kokoa amin’ny famoronana asa ny fikambanana sy ny orinasa mpitsabo Malagasy FITRAMA tantanany manomboka amin’ity taona 2021 ity. Hitodika any amin’ny resaka fiompiana trondro sy tantely izy ireo izay mitondra hery feno ho an’ny vatan’olombelona raha araka ny fanazavany. Ho an’ny orinasa Mpitsabo Malagasy FITRAMA manokana dia fantatra fa hapetraky Rafanomezantsoa Jean Nirina amin’ireo mpitsabo nentim-paharazana marobe ny momba azy , indrindra moa fa ny fijerin’ny sasany izay milaza fa milaza fa manao dokam-barotra izy ireo. Na izany aza dia miasa hatrany ny FITRAMA ary hisy ny fanomezana andraikitra bebe kokoa hatrany ireo mpitsabo nentim-paharazana entina hanasoavana ny mpiara-belona. Mikasika ny tantely sy ny trondro manokana dia hampahafantatra ny ny vesatry ny tantely sy ny trondro eo amin’ny fahasalaman’ny olombelona izay miantoka ny halavan’ny fahavelomana izy ireo. Hiantsehatra eo amin’ny famokarana ihany koa izy ireo eo an-daniny ka anisan’ny omena tombony ireo tsy an’asa. Bitika sy kely ny tantely hoy izy nefa nefa manampy betsaka amin’ny fampitomboana ny hery fiarovana ao anatin’ny vatana ka tsy tokony hotsinontsinoavina. Efa mihoatra ny fanafody ny tantety, hoy hatrany izy. Eny Soaniedanana ao anatin’ilay tetikasa fifindra-monina any amin’ny PK 67 no hanatanterahany izany. Marobe ireo dobo-trondro efa vitan’izy ireo raha efa marobe ihany koa ireo fokonolona vonon-kiara-hiasa aminy.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.