Sosialy

Fitombon’ny mponina eto Madagasikara Maro anaka kokoa ireo vehivavy tsy nandia fianarana


  • Alarobia 10 Jolay 2019

Amin’izao ankatoky ny andro eran-tany ho an’ny mponina izao dia tsara ny mahafantatra fa mitombo 1,5 tapitrisa isa-kerinandro ny isan’ny mponina maneran-tany.

 

 

 Isika eto Madagasikara dia mbola eo am-piandrasana ny valin’ny fanisana farany natao momba ny mponina sy ny trano fonenana (RGPH3), fa raha ny antontan’isa navoakan’ny Tahirin’ny Firenena Mikambana momba ny Mponina dia ahitana fitomboana 2,8% isan-taona ny isan’ny mponina eto amintsika. Eo anelanelan’ny faha-20 hatramin’ny faha-25 taona ny vehivavy Malagasy no tena miteraka, ka manana zanaka 3 na 4 eo ho eo ny vehivavy anankiray nahita fianarana, raha 6 kosa, amin’ny ankapobeny ny isan’ny zanaky ny vehivavy tsy nandia fianarana firy. Ny valin’ny fanadihadiana atao hoe : MICS (Multiple Indicator Cluster Surveys), na Dinidinika momba ny fiainan-tokantrano, no nahazoana an’ireo antontanisa farany ireo. Nomena fiofanana sy fampahafantarana momba ny fikirakirana an’ireo antontan’isa navoakan’ity fanadihadiana ity ny mpanao gazety omaly. Mivelatra amin’ny lohahevitra maro moa ny fanadihadiana MICS : fahasalamana ara-pananahana, SIDA, fanabeazana, herisetra… Nifanohana tamin’ny fanatontosana azy ity kosa ny UNICEF, ny Banky iraisam-pirenena, ny minisiteran’ny mponina ary ny INSTAT. 

 

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT