Fitokanana «jet d’eau»

Voalatsa indray i Antananarivo


  • Talata 21 Mey 2024

Ny rano tsy misy, ny «jet d’eau» no tokanana. Izany ve tsy fanambaniana,

hoy ny fanontaniana napetraky ny mpanara-baovao iray raha nahita ny famirapiratan’ny lanonana nitokanana ny tsangambaton’Iarivo sy ny «jet d’eau» na lalaon-drano amin’ny endriny vaovao manoloana ny lapan’ny tanànan’Antananarivo tetsy Analakely ny alin’ny zoma teo. Voalatsa indray i Antananarivo, araka izany, satria dia iaraha-mahalala tokoa ny olana amin’ny fahafahan’ireo mponina misitraka rano fisotro madio sy tsy tapaka eto an-drenivohitra amin’izao fotoana izao. Ireo mponina amin’ny boriboritany sasany toy ny eny amin’ny faha 2 sy faha 5 moa dia efa toy ny lasa vazivazy zaritenany sisa ny fitenenana hoe «Efa mahazatra ilay tsy misy rano manomboka amin’ny 6 maraina ka hatramin’ny 11 ora alina.». Tsy voafaritra mazava rahateo hatreto ny fandaniana tsy maintsy atao isan-karazany amin’ny fotodrafitrasa tahaka itony fa ny nambaran’ny filohan’ny delegasionina manokana moa izany dia hoe sady haingo izy itony no endriky ny tanàna. Hatreo! Inona izany no mety ho soa ho entiny eo amin’ny fampandrosoana an’Antananarivo sy ny vahoaka ao aminy?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT