FITIA VOARARA SA SOTASOTA

Tovovavy 17 taona hita faty niantona


  • Talata 19 Aogositra 2025

Tovovavy kely iray vao 17 taona monja, mpianatry ny CEG Sandravazaha Analanjirofo

monina ao Analanampotsy no fantatra fa maty nananton-tena rehefa norarana tsy hifankatia tamina tovolahy iray nalatsa-pitia azy. Tao an-tranony ihany no hita ny razana ny faran'ny herinandro teo. Fantatra fa nifatotra tady nylon mirefy 1,10 metatra ny tendany. Araky ny fizahan'ny mpitsabo dia fahafatesana niniana natao no nisy. Ny angom-baovao voarain'ny mpanao fanadihadiana koa no nahafantarana fa misy hifandraisany amin'ny fandrarana ara-pitiavana no nahatonga izao fanapahan-kevitra handao ny tany tampoka izao. Na dia eo aza anefa ny ahiahy amin'ny mety hifandraisan'ity tranga mampalahelo ity amin'ny fiainam-pitiavan-dRatompokovavy dia nanokatra fanadihadiana ihany ny zandary any an-toerana sao misy olon-dratsy ao ambadik'izao aina nafoy izao. Andrasana izay mety ho tobin'ny raharaha.
Nangonin'i Pati
Légende : Malaza ho tsy milamina ny eto amin'ny Faritra Analanjirofo !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT