Sosialy

Fiterahana ieren-doza Vehivavy 2 amin’ny 5 no manatona tobim-pahasalamana


  • Alatsinainy 29 Jolay 2019

Tafakatra 41% tamin’ny taon-dasa ny taham-pampiasana fomba fandrindram-piterahana maoderina eto amintsika, raha toa ka 5% monja izany, 25 taona lasa izay.

 

 

 

Anisan’ny nivoitra io antontan’isa io, nandritra ny tomban’ezaka fanao isaky ny enim-bolana, mikasika ny fiaraha-miasan’ny governemanta Malagasy sy ny Tahirin’ny firenena Mikambana momba ny Mponina (UNFPA), natao ny zoma lasa teo. Tsikaritra ihany koa fa efa nihena ny taham-pahafatesan’ny vehivavy eo am-piterahana teo anelanelan’ny taona 1992 sy 2018, na dia mbola 10 isan’andro aza. Efa nihena 28% io taham-pahafatesana io, araka ny fantatra. Mbola ambany kosa, na dia efa nahitana fiakarany kely ihany aza, ny fiterahana eny anivon’ny tobim-pahasalamana sy atrehin’ny mpiasan’ny fahasalamana. Vehivavy 2 amin’ny 5 izany, amin’izao fotoana izao. Ankoatra izay, heverina fa misy trangan’aretina mamany lava miisa 5.000 vaovao hita eto amintsika, kanefa dia 1.000 isan-taona monja no azon’ny hopitaly eto amintsika amboarina, amin’ny alalan’ny fandidiana. Tanjon’ity tomban’ezaka ity ny hahafahana manoritra an’ireo ezaka mbola tokony hotratrarina, ao anatin’ilay fifanaraham-piaraha-miasa laharana faha-7 iarahan’ny governemanta Malagasy, ny UNFPA ary ireo mpiara-miombon’antoka.

 

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT