Sosialy

Fitazonan’aina any Androy 100Ar ny tokon’ny raketa


  • Alakamisy 20 Aprily 2023

Aty amin’ny taona 2023 isika izao, saingy mbola mitoetra ho olana tsy mety voavaha any amin’ny tapany Atsimon’ny Nosy ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny kere.

Tena mbola misy amin’izao taon-jato iainantsika izao ny olona manohan’aina amin’ny raketa ho solon-tsakafo, toy ny any Androy. Fotoana fiakarany izao, ka100 Ariary ny tokon'ny raketa any an-toerana, ary tena mihinana an’io ny ankamaroan’ny olona. Fandre ihany koa ny fihinanan’ny olona amin’ny faritra sasany ny viovio noho ny tsy fisian-tsakafo ka betsaka no efa matiny. Raha ny tatitry ny UNICEF ny volana martsa teo, mahatratra 874 000 olona ianjadian’ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika any amin’ny Faritra Atsimon’i Madagasikara, araka ny fanadihadiana tafiditra amin’ny fanasokajiana mikasika ny antoka momba ny fanjarian-tsakafo. Ankizy hatrany amin’ny 115 000 any amin’io faritra io no mila fikarakarana manokana hiadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika, raha ny tatitra tamin’izany. Efa an-taonany marobe ny olana any Atsimo, ary matetika aza toa natao fitaovana hitadiavana fanampiana iraisam-pirenena. Ny olana ve no saro-bahana sa ny finiavana no tsy ampy hany ka toa hatao fitaovana politika isaky ny propagandy mba hakana fon’ny olona hatrany io olana any Atsimo io?
Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT