Sosialy

Fitaterana fanampiana ho an’ny traboina Nanetsika ny tafika FAZSOI ny Frantsay


  • Talata 01 Martsa 2022

Nanetsika ny andian-tafika FAZSOI (Forces armées dans la zone sud de l’océan Indien) nitondra tohana sy fanampiana vokatry ny fiantraikan’ny rivodoza,

 indrindra ny tany amin’ny tapany Atsinanan’ny Nosy ny 5-6 febroary 2022 sy tany Vatovavy Fitovinany ny Frantsay, araka ny fampitam-baovaon’ny Masoivohony eto amintsika omaly 28 febroary 2022. Nilaza ho nanetsika ireo fitaovany ara-tafika mba hitaterana ireo fitaovana mikasika ny maha olona tena maika avy amin’ny Croix-Rouge Frantsay nentina nihazo an’i Manjary nanampiana ny traboina. Noho ny fangatahan’ny governemanta Malagasy sy ny fiaraha-miasa amin’ny Minisitra misahana an’i Eoropa sy ny raharaha ivelany, niampy ny fanampian’ny Vondrona Eoropeanina, nambara fa nanomboka ny hetsika momba ny maha olona ihany koa ny Frantsay. Taorian’ny andiany voalohany nitaterana entana milanja 2 taonina avy amin’ny PIROI (Plate-forme d’Intervention Régionale de l’Océan Indien), nisy ny sidina nataon’ny fiaramanidina CASA an’ny FAZSOI nampifandray an’i Toamasina sy Mananjary, nahafahana nitatitra ireo mpamonjy voina Frantsay niaraka tamin’ny entana 26 taona. Teo ihany koa ny A400M Atlas niainga avy tany amin’ny tobim-pamaharana anabakabaka 123 an’i Orléans-Bricy, nitondra ireo mpamonjy voina sy mpamonjy aina ary miaramilan’ny FAZSOI avy any La Réunion nihazo an’i Madagasikara nahafahana nivezivezy nampifandraisana an’Ivato sy Mananjary, ka nahafahana ihany koa nizara fanampiana 40 taonina ho an’ny traboina. Raha mitodika kely amin’ny ara-politika sy ara-jeopolitika, dia marihina andian-tafika apetraky ny Frantsay hifehy sy hanara-maso ary hiaro ny tombotsoany aty amin’ny Fari-dranomasina Indianina ny FAZSOI, ka tafiditra ao anatin’izany ireo Nosy manodidinana izay hiadiavantsika aminy.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT