Sosialy

Fitaterana ana habakabaka Mety haato ny zotram-piaramadina avy any Azia


  • Alarobia 29 Janoary 2020

Tsy mipetra-potsiny ny fitondram-panjakana ankehitriny manoloana ny fihanak’ilay Coronavirus, otrik’aretina mamely ny taovam-pisefoana.

 

 

 

                      

Ankoatra ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka dia mandray ny andraikiny ihany koa ny an’ny fitaterana. Raha araka ny fanazavan’ny Minisitra Joel Randriamandrato  omaly mantsy dia efa nanontany ny sampandraharahan’ny firenena mikambana misahana ny fahasalamana na ny OMS  izy ireo raha tokony hakatona vonjimaika aloha ny zotram-piaramanidina mampitohy an’i Madagasikara amin’i Azia. Narahina fivoriana niaraka tamin’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka izany ka nahafantarana fa tsy atahorana eto amintsika aloha ity aretina ity hatreto. Na izany aza dia nohamafisina ny fiarovana. Anisan’ireny ny fizahana  ny fahasalaman’ireo olona miditra sy mivoaka ny seranam-piaramanidina sy seranan-tsambo miisa sivy manerana ny Nosy, ny fandraisana an-tanana avy hatrany ireo manana maripana mihoatra ny  38 °…ary ny fandefasana izany any amin’ny hopitaly Anosiala raha sanatria ka tena  mampanahy ilay aretina.

Pati

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT