Betsaka ireo olona mitaraina amin’ny tsy fisian’ny taksibe eto an-drenivohitra sy ny manodidina intsony raha vao migadona ny amin’ny 06 ora hariva.
Mbola betsaka anefa ireo mpiasa mirava aorian’io ora io, antony nanosika ny UCTU ( fivondronam-ben’ny mpitatitra an-tanan-dehibe ) eto an-drenivohitra hirotsaka an-tsehatra hiasa alina. Manomboka amin’ny 07 ora sy sasany hariva ka hatramin’ny 01 ora maraina no hanohizan’izy ireo izany asa fitaterana izany amin’ny sarany 2.000 Ar isan’olona. Hanomboka amin’ny zoma ho avy izao izany, raha araka ny fantatra, mifanindry an-dalana indrindra amin’ilay hetsika takarivan’Iarivo izay karakarain’ny kaominina Antananarivo renivohitra. Tanjon’izy ireo ny hanampiana ireo olona miasa alina na sendra tratra hariva vao tafody ankoatra ireo te-hiara-hikorana amin’ny namany na ny fianakaviany amin’ny alina rehefa faran’ny herinandro. Na izany aza anefa dia mangataka amin’ny Fitondram-panjakana ny UCTU mba hanampy azy ireo amin’ny fiarovana ireo taksibe miasa alina sy ny mpandeha mandritra izany.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.