Sosialy

Fitarihan-drano ao Ambohitrimanjaka 83 tapitrisa ariary no ilaina amin’ny fantsona


  • Alakamisy 01 Jolay 2021

Tsy maintsy namory ny sefo fokontany miisa 25 eto Ambohitrimanjaka izahay anio, hoy ny ben’ny tanana ao an-toerana, Ihajason Randriamanalintsoa, omaly.




 Fantantsika ny fisian’ny tetikasa hanaovana fantsona fitarihan-drano na “canal d’irrigation” eto Ambohitrimanjaka, hoy izy. Miala eo amin’ny tohadranon’Antsapanana izany. Ny tohadrano eo moa ikambanana amin’Ambohidrapeto, Fiombonana, Akadimanga. Tsy mitovy ny velaran-tany tondrahana rehefa tonga ny fotoam-pambolena, fanondrahana ny rano. Tsy mitovy koa ny filan-drano fa vetivety dia feno Ambohidrapeto sy Fiombonana ary Akadimanga. 2100ha I Ambohitrimanjaka ka voatery hidiana ny famarinan-drano izay tokana monja. Antony nanaovanay ny tetikasa hanananay fantsona fitarihan-drano anay manokana io. Rehefa natao nefa ny fanangonam-bola hanenjehana ny tetibola dia tsy tratra ilay izy. 1500 ariary ny fandraisan’anjara isaky ny mponina. Neverina fa handoa ny 100% saingy 35% ihany no nanefa hatreto. Ny faran’ny volana may teo anefa no fotoana farany fanangonana izany. Nampanantena 7 tapitrisa ariary ny kaominina. 17 Tapitrisa ariary no any amin’ny mponina na ilay “participation communautaire” ka tsy tratra noho izany izay. Nisy koa ny fidinanay niaraka tamin’ny tomponandraikitra misahana ny tontolo ambanivohitra na “génie rural” sy ny APIPA. Nametraka ny APIPA fa tsy afaka hanome alalana raha tsy manatanteraka ny fepetra apetrany. Maromaro izay fepetra izay ka rehefa natao ny tetibola izay niheritreritanay fa 34 tapitrisa ariary no mety ahafahana manatanteraka ny tetikasa tany am-boalohany dia nihoatra izany nony tonga ny tolo-bidin’ireo orinasa te hanao ny tetikasa. Nisy nanao tolobidy 312 tapitrisa ariary. Nisy nanao 60 tapitrisa ariary. Nisy nanao 50 tapitrisa ariary dia io ambany indrindra io no noraisina. Taorian’ny fitsirihan’ny APIPA sy famerenana ny faminavinana tetibola anefa dia niverina 83 tapitrisa ariary indray ny vola tsy maintsy ho laniana. Nahangona 15 tapitrisa ariary miampy 17 tapitrisa ariary, izany hoe, 33 tapitrisa ariary ny kaominina ka izay no antony namoriana ireo sefo fokontany mba hanamafy ny fanentanana, hoy hatrany ity ben’ny tanana ity, indrindra ireo be taimbava sy be menomenona nefa ireny mihitsy no tena tsy manao. Tsy tratra amin’ity taona ity, hoy izy, izany ny fanatanterahana ny tetikasa.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT