Sosialy

Fitaovana misy “mercure” Tsy azo ampiasaina fa mahavoan’ny homamiadana


  • Alatsinainy 16 Martsa 2020

Tsy azo ampiasaina eto Madagasikara intsony ireo karazam-pitaovana ara-pahasalamana misy merikiora izay mahavoa ny homamiadana.

 

 

 

 

Ny vehivavy raha araka ny fantatra no mety tena hitondra takaitra ratsy amin’izany toy ny fahasamponan’ny zaza vao teraka, ny fahafahan-jaza tsy tonga volana….Tafiditra ao anatin’ireo fitaovana ireo ny fitsapana hafanana sy ny fitsapana tosi-drà izay tena fampiasain’ny tokantrano maro tokoa,  indrindra fa ireo vehivavy sy ankizy madinika ary ny voky taona.  Toraka izany ihany koa ny takamoa. Azo hatao tsara araka izany ny manakalo ireo fitaovana ara-pahasalamana misy merikiora ireo eny amin’ny INSPC Mahamasina, ny sampan’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka ao Tsaralalana ary soloina maimaim-poana amin’ireo  karazam-pitaovana  mitovy aminy tsy misy merikiora intsony. Tsiahivina moa fa tafiditra ao anatin’ny fampiharana ilay fifanarahana  Minamata nosoniavin’i Madagasikara tamin’ny taona 2015 ny fanafoanana ny fampiasana ireo karazam-pitaovana misy merikiora ireo eto amintsika.

 

 

Pati

 

 

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT