Sosialy

Fitaovam-pianarana feno Ny 25 %-n’ny ray aman-dreny ihany no mahavidy


  • Alatsinainy 29 Jolay 2019

Ny 25 %-n’ny ray aman-drenin’ny mpianatra ihany isaky ny fanombohan’ny taom-pianarana ho an’ireo sekolim-panjakana no mahavita mividy fitaovam-pianarana feno ho an-janany.

 

 

 

 Ny ankoatra izay dia mandeha miandalana avokoa raha misy tsy mahafeno izany mihitsy ny sasany noho ny fahasahiranana. Miteraka olana goavana ho an’ny sekoly anefa ireny amin’ny ankapobeny, indrindra fa ho an’ireo mpianatra. Mba hahafahana misoroka izany dieny mialoha sy ho fitsinjovana ireo mpianatra ao amin’ny taona fahadimy hiatrika ny fanadinam-panjakana CEPE dia tonga nanolotra fitaovam-pianarana ho an’ireo mpianatry ny EPP Ambohibato Ambohimanambola ny fikambanana Ank’izy ny faran’ny herinandro teo. Narahina fanolorana tablety ho an’ireo ankizy mahay indrindra isan-kilasy ho fankasitrahana azy ireo. Raha araka ny fantatra dia mbola hitohy amina sekoly ambaratonga fototra miisa 30 eto an-drenivohitra ny hetsika ho fitsinjovana ireo ankizy madinika sy ireo ray aman-drenin’ny mpianatra.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT