Sosialy

Fitantanana ny rano eto Iarivo Mandrindra asa ny AUE sy ny Boriborintany faha-4


  • Alarobia 04 Septambra 2019

Nampivory ny AUE (Association des Usagées de l’eau) miisa 184, izay mitantana fotodrafitrasa toy ny paompin-drano sy ny toerana fanasan-damba ny teo anivon’ny boriborintany fahefatra,

 

 

 

 kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) omaly 3 septambra,  izany dia  notarihan’ny lefitra faharoan’ny delegen’ny Boriborintany Andry Razafindrakoto. Ny tanjona dia ny fanolorana ny paikady   hoentina handrindrana sy hanatsarana ny fomba fikojakojana ny fotodrafitrasa  toy ny fanamafisana sy ny fanaovana ny tatitra ara-bolan’ny fikambanana, ny fe-potoana anaterana ny tatitra eny anivon’ny boriborintany izay ny 1 hatramin’ny faha-10 ny volana, ny fanokafana kaonty OTIV hametrahana ireo ambim-bola sisa,  ary ny fangalana fankatoavana eny anivon’ny boriborintany   ireo famoaham-bola izay mihoatra ny 100 000 Ar sy  ny fanamafisana ny taratasy fanamarinana ara-dalàna ny fampiasana ny vola rehetra. Marihana fa fivoriambe  faran’ny Boriborintany sy ny mpitantana fotodrafitrasa tamin’ity taona 2019 ity izao natao izao, ary tapaka ihany koa ny hanatanterahan’ny roa tonta fitsangantsanganana izay fanao isan-taona, ka ny 4 oktobra ho avy izao no hanaovana azy. 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT