Sosialy

Fitantanana ny loza ara-boajanahary Niova sata ny BNGRC


  • Alarobia 30 Oktobra 2019

Hisy ny tahiry antsoina hoe “Fond national de contingence” eo anivon’ny Birao Nasionalin’ny Fitantanana ny Loza Ara-boajanahary (BNGRC)

 

 

 

 izay iaraha-miasa amin’ny Banky iraisam-pirenena sy ny Masoivoho Frantsay ho amin’ny fampandrosoana (AFD). Ny BNGRC no hitantana io tahiry io ary entina hiatrehana ireo loza goavana, araka ny fanazavana. Araka izany dia niova ho “Etablissement Public à caractère Administratif”  (EPA) ny fitantanana ny BNGRC manomboka izao. Niova manaraka izay koa ny fitantanana ka tsy ho sekretera mpanatanteraka intsony fa hanana ny tale jeneraliny sy ny filankevi-pitondrany izy araka ny fanazavan’ny minisitry ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana. Ho fampanarahana ny rafitry ny BNGRC hifanaraka amin’ny lalàna mikasika ny politika nasionaly momba ny fitantanana sy ny fandrindrana ny seho sy ireo voina no antony nandraisan’ny filankevitry ny minisitra ny fandaminana vaovao eo anivon’ny BNGRC, hoy hatrany ny minisitry ny atitany sy ny fitsinjaram-pahefana izay nanolotra ny volavolan-kevitra momba izany.

 

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT