Toe-javatra iray misy manararaotra ho fitaovana politika amin’izao fotoana izao ny fitantanana ny fako eto Antananarivo.
Io moa izay voamarika hatrany fa natao hosahanin’ny avy eo anivon’ny sampandraharaha mahaleotena misahana izany eo ambany fiadidian’ny minisiteran’ny rano na ny SAMVA. Araka ny fanazavan’ny mpitantana ny antontan-kevitra sy tahirin-kevitra eo anivon’ny CUA, Pascal Rasaony, dia ny fiafaran’ny volana novambra sy fiandohan’ny volana desambra no nanomboka ny fanadiovana izay tsy niandrasana ny SAMVA intsony. Nanamafy izany moa ny talen’ny serasera eo anivon’ny CUA, Tiana Harilaza Raharivelo, tamin’ny alalan’ny fampatsiahivana fa kamiao miisa 20 no nahetsika tany am-boalohany saingy rehefa hita fa tsy naharaka dia nofenoina 40. Voatery niara-niasa tamina sehatra tsy miankina ny CUA ary nisy tamin’ireo kamiao no nitrosana ary ankinina amin’ny SAMVA ny famerenana izany, araka ny fanazavana. Amin’ny maha olom-pirenena tsotra ny tenako, hoy i Pascal Rasaony, dia iombonako hevitra ny valin-tenin’ny mpanolotsaina manokan’ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana, Marc Ravalomanana, izay milaza fa tsy ny filohana antoko mihitsy no afaka hibaiko minisitra fa mbola eo ny praiminisitra. Tsy misy idirana antoko io fa ny andraikitrao no tokony ho zava-dehibe. Ny minisitry ny rano, Roland Ravatomanga, moa tetsy an-kilany dia nilaza fa efa nanao ezaka ny SAMVA, ary efa miha mivoatra ny fanangonana fako eto Antananarivo raha mitaha ny tamin’ny herinandro sy tapa-bolana.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.