FITALEAVAM-PARITRY NY VAROTRA BOENY

Naodina ho zezika fa tsy ho sakafon’olombelona ireo vary simba


  • Alakamisy 28 Desambra 2023

Nitondra fanazavana momba ireo vary simba tany Mahajanga ny Talem-paritra

ny Varotra sy ny Fanjifana Boeny sy ny Filohan’ny Tambazotra miaro ny zon’ny mpanjifa any an-toerana omaly Alarobia 27 Desambra. Nohamafisiny tamin'izany fa vary simba avy tany amin'ny seranan-tsambo no nafindra tao amin'ny fanatobian’entana. Efa nahazo fanamarinana fa tsy azon’olombelona hohanina intsony ireo vary simba ireo ka tsy natao ho hamidy eny amin'ny tsena mihitsy. Nanomboka ny Alarobia 20 Desambra teo ny asa fanodinana ireo vary simba ho lasa zezika. Tsy nisy ny fanomezan-dalana hivoahan'ireo vary simba ireo ao amin’ny toerana nasiana azy. Ary tsy nisy na kely aza tamin'ireo vary ireo tonga teny an-tsena. Manoloana ny zava-misy momba ity resaka vary simba any Mahajanga ity dia nandray fepetra fampitsaharana tanteraka ny asa fanodinana ireo vary ireo ny Ministeran'ny Varotra sy ny Fanjifana.
Pati

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT