Sosialy

Fitaleavam-paritry ny mponina ao Menabe « Tsy misy olona mivaro-janaka izany aty aminay »


  • Alakamisy 19 Janoary 2023

Niparitaka ny vaova o tamin’ny tambajotran-tserasera facebook tao Menabe tao fa misy Ray aman-dReny mivaro-janaka ihany koa noho ny fahantrana sy ny fahasahiranana.

Nidina ifotony tany amin’ny kaominina ambanivohitr’Ankilivalo avy ireo tompon’andraikitra rehefa nahita izany. Fantatra nandritra ilay fanadihadiana natao fa Renim-pianakaviana iray mikorontan-tsaina no niteny izany vaovao rehefa natao ny fifampiresahana taminy. Toraka izany koa ny Ben'ny Tananà, ny Ray aman-dreny izay nitaiza azy ary ireo lonaky eo Ankilivalo. Nisy nandritra izany koa ny fifampiresahana tamin'ilay olona nanaparitaka io vaovao niaraka tamin’ny Ben'ny Tanana sy ireo Ray aman-dreny voalaza ireo ary niaiky izy fa mikorontan-tsaina io vehivavy io ka na ny valin-teniny sy ny fomba firesany aza dia manamarina izany . Miantso ny olom-pirenena mba tsy hanaparitaka vaovao tsy marim-pototra tahaka izany araka izany ny fitaleavam-paritry ny mponina ao Menabe hisorohana ny fanakorontanana mety hitranga. Ny fanabeazana, ny fampandrosoana ary ny filaminam-bahoaka dia adidintsika olom-pirenena rehetra hoy izy ireo.Efa nisy fanapaha-kevitra noraisina niarahana tamin'ny Ben'ny Tanana hamahana ity raharaha ity.

Pati
Legende : Tsy mbola nisy resaka fivarotan-janaka noho ny fahantrana tany Menabe
(Sary fanehoana)
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT