Sosialy

Fitakiana sy grevy Nanitsy ny vavabe nataony ny praiminisitra


  • Alarobia 20 Oktobra 2021

Nilefitra ny Praiminisitra Lehiben’ny governemanta Atoa Ntsay Christian omaly eo anatrehan’ny grevy samihafa miseho eto amin’ny firenena.

Raha hiverenana dia nilaza ny tenany ny 14 oktobra, fa “tsy azo terena hamoaka vola amin’ny alalan’ny grevy ny Fanjakana”. Niteraka fahatezerana io, ary vao mainka nandrehitra afo, ka ho an’ny Oniversite ohatra, dia nahitsy ireo mpandraharaha nilaza fa ny Praiminisitra Raiamandreny tokony hanirina indray no vao mainka nampivandravandra. Nisy mihitsy no sahy naneho hoe: “milà ny praiminisitra”. Atoa Norbert Lala Ratsirahonana, izay azo lazaina fa olona akaiky ny fitondrana aza efa namaky bantsilana fa misy ny fitavozavozana, ary rariny ny fitakian’ny olona ny vidin-katsembohany. Omaly nandritra ny fanokafana ny fivoriana ara-potoanan’ny Antenimieram-pirenena, naneho ny Lehiben’ny governemanta, fa efa misy ny fiaraha-miasa. “Fantatrareo, efa nijery ny mahakasika an’io hatramin’izay. Mila fiaraha-miasa mahomby eo anivon’ny Minisiteran’ny fampianarana ambony sy ny oniversite. Efa mipetraka izany, ka hivaha tsy ho ela ny olana”, hoy izy niresaka ny olana ara-karaman’ny mpandraharahan’ny Oniversite. Efa nilaza moa ny Praiminisitra fa misy ny vola, saingy mila fanadiovana satria misy vola verivery fotsiny. Na izany aza fandaminana sy fanadiovana tahaka ny inona loatra no tsy vita herintaona na 8 volana na roa volana? Marihina fa Atoa Praiminisitra Lehiben’ny governemanta no Lehiben’ny Fitantanan-draharaham-panjakana tokony hanome toromarika maika sy hentitra amin’ny famahana ny olana, saingy somary niteraka fanafintohinana ho an’ny voakasika sy ny sokajin’olona sasany moa ny teniny. Tsy finiavana hitsikera sanatria fa tsara ihany koa ny mampahatsiahy hoe: efa tompon’andraikitry voalohan’ny OIT (Organisation Internationale de Travail) nisahana an’i Madagasikara sy ny Nosy Kaomoro ny tenany, mahalala tsara ny lalàna momba ny asa, ny zon’ny mpiasa,… Asa raha rariny sy mitombina aminy izany olona miasa maina am-bolana maro tsy mandray karama izany ary mbola namoahana vava hafahafa?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

Hijery ny tohiny
FTT