Sosialy

Fitakiana sendikaly Mampiaka-peo indray ny SSM


  • Zoma 27 Desambra 2019

Raha ny zava-misy ankehitriny, misy tsy mazava eto amin’ny firenena.

Ny asam-panjakana sy ny volam-bahoaka tsy milamina, ny tsy fanajana lalàna miharihary, tsy mitana ny teny nomena ny fanjakana, ka tsy maintsy mampahatsiahy ny fepetra tokony horaisina, raha ny votoatin’ny fanambaran’ny Farimbon-tsendikaly na ny SSM omaly teny Mahamasina. Ny fitakian’ny SECES, ny Fitsarana voahitsakitsaka ny lalàmpanorenana, indrindra ny andininy faha-65. Mianjady amin’ny mpampianatra mpanabe ny “subvention” hatrany amin’ny 6-7 volana tsy nefaina. Ny “vacataire” sy ECD tsy voaefa, ny farany teo 13 volana, ary nisy ny kely efa nefaina nefa didy efa raikitra mila tanterahina. Ny tsy fandriampahalemana manjaka, takalon’aina sy fanolanana mahery vaika ka anisan’ny iharan’izany ny sendikalista. Hohamafisina ny firaisankina hatramin’izay ka ho toy ny vava sy ny tanana ny sendikalista hoe: rehefa marary ny vava, dia manafosafo ny tanana ary rehefa may ny tanana mitsoka ny vava, hoy izy ireo. Tsy fanakorontanana sanatria na fikasana hanakorontana fa olom-pirenena vonona handray ny andraikiny eto amin’ny firenena ny sendikalista, hoy ny fanambarana. Milaza tsy hanaiky hatao fitaovana politika hisakana ny filoha tsy hahavita ny progmany izy ireo. Na izany aza manome fe-potoana hatramin'ny farany taona mba hamahana ny fitakiany.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT