Sosialy

Fitadiavam-bola ho fampidirana an-tsekoly Mikarakara “Tombola” lehibe ny Agua de Coco sy Bel Avenir


  • Talata 16 Jolay 2019

Mikarakara “Tombola” lehibe amin’izao fotoana izao ny Fikambanana vahiny Agua de Coco sy ireo mpiara-miombon’antoka Malagasy miaraka aminy, dia ny Bel Avenir sy ny Hôtel Solidaire Mangily (HSM).

 

 

Tanjona ny fanohanana tetikasa ara-pampianarana sy fanabeazana eto Madagasikara, ivoizana ny foto-kevitra “L’éducation comme moteur de développement” na ny  fanabeazana ainga mampihodina ny fampandrosoana, izay hitondrana ihany koa ainga vao ho an’ny fampiroboroboana ny tontolon’ny fizahantany eto Madagasikara. Hotanterahina ny 28 oktobra ho avy izao ny antsapaka, ka izay tsara vintana dia hahazo fitsangantsanganana ho an’olon-droa eto Madagasikara ka tafiditra ao anatin’izany ny fivahinianana any amin’ny Hôtel Solidaire Mangily. Ny tombony amin’ny “Tombola” kosa dia harotsaka any amin’ny tetikasa ara-panabeazana ataon’ny ONG Bel Avenir hahafahan’ny ankizy an’arivony miditra an-tsekoly tsara kalitao izay hahafaha-misitraka “cantine” sy “activités extrascolaires”. Ny taona 2006 no nanombohan’ny HSM io tetikasa io, izay hahafaha-mampiroborobo ny fizahantany maharitra eto Madagasikara ihany. Efa tetikasa ara-panabeazana maro amin’izao fotoana izao no napetraka sy iantsorohan’ny Fikambanana Agua de Coco sy ny ONG Bel Avenir tany amin’ny Faritra Atsimo-Andrefana.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT