Sosialy

Fisotroana rano mafana 4 vera isa-maraina Manadio ny ao anaty sy manasitrana aretina


  • Zoma 03 Febroary 2023

Miteraka aretina maro ny tsy fisotroan-drano. Raha tsiahivina mantsy dia tokony hahalany 1 litatra isan’andro ny olona iray milanja 50 kg eo ho eo.

Misy anefa ireo tsy misotro rano mihitsy raha tsy efa mangetaheta fatratra. Ny 90%-n’ny taovan’olombelona ao anaty anefa dia rano avokoa no mamelona sy mampiodina azy. Raha mahavita misotro rano tsara kosa anefa ny olona iray dia aretina maro no ho voasoroka sy ho sitrana. Rano mafana efatra vera isa-maraina no hisantarana izany dia mahavaha olana raha araka ny fanazavan’Atoa Mandimbison Rija, mpitsabo amin’ny vokatra natoraly etsy Namontana. Sotroina iray vera isaky ny 15 minitra izany ary 45 minitra aorian’ny fisotroana ireo rano 4 vera ireo vao misakafo maraina. Nambaran’ity mpitsabo ity fa na ireo olona lazaina fa marary fo be sy tratry ny diabeta aza dia afaka ny ho sitrana ao anatin’ny 9 volana raha manam-piniavana. Toraka izany koa ireo marary aty….Sady manadio ny ao anaty mantsy io rano mafana sotroina isa-maraina io raha araka ny fanazavany no mamelona ireo taova rehetra ary manosika azy ireo hanao ny asany tsara indray.
(Sary fanehoana)
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT