Sosialy

Fisorohana ny fifindra-monina Omena tany hamboleny sy hiompiany ireo mponina any Atsimo


  • Alarobia 20 Janoary 2021

Saika miala ny faritra niaviany avokoa ireo mponina any amin’ny faritra Atsimon’ny Nosy

 

 

 

amin’izao noho ny haintany sy ny hanohanana. Tsy vitsy ireo efa tonga tao Fianarantsoa sy teto an-drenivohitra, nampanantenain’ny sasany omena asa mahavelona. Nahita vahaolana hahafahana miady amin’izany ny Fitondram-panjakana raha araka ny fanazavan’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina omaly tany Tolagnaro. Nambarany tamin’izany fa tany mirefy 200 ha no hozarainy amin’ireo mponina any an-toerana ka 1.000 m² isaky ny ankohonana no hatolony amin’izany hahafahan’ireto farany miompy sy mamboly. Omena fiofanana ihany koa ireto farany manomboka amin’ny fiandohan’ny volana febroary ho avy izao ka hatramin’ny volana Jona hisian’ny vokatra miakatra. Mandritra izany anefa dia mbola hamatsy sakafo tsy miato ho azy ireo ny Fitondram-panjakana ka mponina miisa 300 000 isam-bolana no ezahina hahazo tombontsoa, sakafo havaozina hatrany miankina amin’ny filan’ny mponina. Fiara lehibe miisa 10 mitondra karazan-tsakafo sy kojakoja maro samihafa moa omaly no niainga tany Tolagnaro niazo ny faritra atsimon’ny Nosy hizara izany ho an’ireo mponina tratry ny kere any atsimo.

Pati

Legende : Hahazo sakafo tsy tapaka amin’izay izany ireo mponina any amin’ny farita atsimon’ny Nosy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT