Fisorohana ny fidangan'ny vidim-piainana

Noferan'ny Fanjakana


  • Talata 07 Aprily 2026

tsy hiova ny vidin-tsolika...

Nanambara ny Fanjakana fa manomboka ny alahady 5 aprily, dia fehezin’ny fitondrana indray ny vidin-tsolika ambony indrindra eto Madagasikara. Mitovy tanteraka amin’ireo vidiny nampiharina hatramin’ny 5 martsa 2026 ny sandam-bidy vaovao: Super Carburant (SP95) na ny lasantsy noferana ho 4 900 Ar ny vidiny farany ambony. Ny Gazoala (GO) 4 660 Ar, ary Pétrole Lampant (PL) na solika fandrehitra 3 510 Ar. Ny fiovana vidin-tsolika farany talohan'io famerana io dia fihenana 200Ar isaky ny litatra teo amin'ny lasantsy (5100 Ar lasa 4900Ar) sy ny gazoala (4860Ar lasa 4660Ar).
NOHO NY TOE-DRAHARAHA IRAISAM-PIRENENA
Ity fanapahan-kevitra ity dia tonga ao anatin’ny toe-draharaha iraisam-pirenena sarotra, voamariky ny ady eo amin’i Iran sy Israely. Raha tsiahivina, nanomboka tamin’ny taona 2025 ny manampahefana malagasy no nampihatra rafitra fanitsiana ho azy ny vidin-tsolika, natao hanarahana isam-bolana ny fiovaovan’ny vidin-tsolika maneran-tany sy ny tahan’ny fifanakalozana. Vao haingana, fivoriana stratejika iray no natao mba hanomanana ny mety ho fiantraikan’ny krizy any Moyen Orient amin’i Madagasikara. Araka ny tatitra, mety hiteraka olana amin’ny famatsiana vokatra ilaina indrindra izany ady izany, hampihena ny fifanakalozana ara-barotra iraisam-pirenena ary hampiakatra ny vidin-tsolika. Vokany, hisy fiantraikany mivantana amin’ny vidim-piainana sy ny fitoniana ara-toekarena eto amin’ny firenena. Tsara ny mampahatsiahy fa nanomboka ny fiandohan'ny 2025 isika no nampihatra ny "mécanisme d'ajustement automatique" na ny kajikajy mandeha ho azy teo amin'ny famaritana ny vidin-tsolika miorina amin'ny vidiny Iraisam-pirenena sy vidiny tena izy, hialana amin'ny fanetsenam-bidy avy amin'ny Fanjakana. Fepetra niarahana nanapaka tamin'ny mpiara-miombon'antoka ara-bola sy ara-teknika mahazatra (PTF) toy ny FMI sy ny Banky Iraisam-pirenena. Anisan'ny fepetra napetraka ahafahan'i Madagasikara misitraka ireo tohana samihafa.
NIFANEKENA TAMIN'NY MPAMATSY VOLA MAHAZATRA ?
Zava-dehibe sy tena fitsinjovana vahoaka eo anatrehan'ny ahiahy amin'ny mety fidangam-bidy ity fanapahan-kevitra ity. Ny vidin-tsolika eo amin'ny tsena Iraisam-pirenena rahateo tafakatra hatrany amin'ny 110 dolara ny barila. Henjana ny fiakarany, ka any Eoropa niainga 1,30 euros no efa ambonin'ny 2euros, raha ny fanehoan-kevitra nataon'ny mpahaitoekarena Serge Imbeh Jovial ny herinandro teo. Misy fiantraikany goavana eo amin'ny vidim-piainana. Zava-dehibe ny fepetra noraisin'i Madagasikara. Nifanekena tamin'ny PTF sy ireo mpamatsy solika ve anefa? Manana ny fiandrianam-pirenena isika fa betsaka ihany koa ny zavatra tsy azo hanoharana, ka mety hiteraka fanenjenana ara-toekarena sy ara-politika avy amin'ny PTF? Manao iraka eto Madagasikara mandritra ny herinandro mafonjan'ny FMI, tarihin’i Lonkeng Constant miaraka amin’ny solontena maharitra Eklou Kodjovi. Nisy fivoriana maro niaraka tamin’ireo tompon’andraikitra isan-karazany, anisan’izany ny Ministeran’ny Toekarena sy ny Ministeran’ny Angovo. Tamin’ny 30 marsa 2026, fivoriana iray no natao tao Antaninarenina mba hiresahana ny toe-draharaha ao amin’ny JIRAMA sy ny sehatry ny angovo. Nisy ffifanakalozan-kevitra dia nifantoka indrindra tamin’ny fanamby atrehin’ny sehatra sy ny rafitra fanitsiana ho azy ny vidin-tsolika. Ny fifampiresahana dia mbola hitohy mandritra ny andro vitsivitsy manaraka, raha ny nambara tamin'io,... Anisan'ny tapaka tamin'ny fihaonana ve ny hameran'ny Fanjakana ny vidin-tsolika ? Niarahana nanapaka tamin'ireo Vondron'ny mpamatsy sy mpaninjara? Sa ny famerana manaraka mety hakarina indray ilay vidiny farany ambony ? Vonjimaika ihany sa haharitra ny hitazonan'ny Fanjakana ny famerana ny vidin-tsolika ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

  • Rakoto Jean Pierre
  • Alarobia 08 Aprily 2026

"Aza zarina amin'ny bôjo ny Vahoaka !"

  • Antananarivo Renivohitra
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Raikitra indray famindrana

Hijery ny tohiny
FTT