Sosialy

Fisorohana ny fiakaran’ny rano eto Iarivo Vita ny « station de pompage » eny Andavamamba


  • Alakamisy 25 Jolay 2019

Vita ny fanavaozana ny « station de pompage » etsy Andavamamba Anatihazo Isotry rehefa namboarina sy nokarakaraina nandritra ny 2 taona.

 


Nahazo fotodrafitrasa manaraka ny teknolojia avo lenta afaka mitroka sy mamarina ny rano maloto avy any amin’ireo fokontany manodidina azy ho any ivelan’Antananarivo, araka izany, ireo mponina eny amin’ny faritra iva. Voavaly ny hetahetan’ireo mponina mahakasika ny fiakaran’ny rano eny amin’ireo faritra iva ary azo heverina ny tsy hisian’ny rano miakatra eny amin’ireo faritra ireo rehefa tonga ny fotoam-pahavaratra, hoy Atoa Andrianarivelo Hariravo tompon’andraikitra avy eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA). Nanambara ihany koa ity tompon’andraikitra ity fa « station de pompage » dimy no miasa eto an-drenivohitra, ka raha miasa araka ny tokony ho izy ireo dia ho foana tanteraka ny olan’ny mponina rehefa mikija ny orana eto. Omaly alarobia 24 jolay 2019 dia tonga teny an-toerana avokoa ireo tompon’andraikitra nitoto nahafotsy sy nahandro nahamasaka ny tetikasa hijery ny fahavitan’ny fotodrafitrasa sy nijery ny andrana ara-teknika nataon’ireo teknisianina manampahaizana avy any ivelany. Manana andraikitra goavana ihany koa ny mponina amin’ny fikajiana sy fikoloana izao fotodrafitrasa izao toy ny fitandroana tanteraka ny fahadiovan’ny lakandrano, ny tsy fanariana ny fako any anaty tatatra fa ahiana mety hanimba ny fotodrafitrasa izany, hoy ny CUA, izay manentana ny mponina mba samy hitandro sy hanaja ireo fotodrafitrasa mba ho tombontsoan’ny rehetra satria Antananarivo dia soa iombonan’ny Malagasy.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT