Sosialy

Fisorohana fanapoizina ara-tsakafo Tsy dia tsara ny mitahiry sakafo


  • Talata 27 Desambra 2022

Tsy maintsy misy foana isan-taona rehefa fety toy izao ireo tratry ny fanapoizinana ara-tsakafo na dia efa betsaka aza

ny toromarika sy ny fanentanana ho fisorohana, hoy ny dokotera mpitsabo, Dr Fidy Bariniaina. Eo ny tsy fitandremana, hoy izy, fa samy manana ny fari-pahalalany koa ny olona. Ny azo atao dia ny mampahatsiahy foana izay tsy azo atao mba tsy hitrangan’ilay izy. Tsy tokony atao ny mihinana sakafo lany daty, efa simba, izany hoe na io efa bobongolo na masiso na miova endrika na efa lo na efa mibontsina, arafesina ny fitoerany na boatiny. Tsy tokony ho any an-dakozia mihitsy ireny famonoana bibikely na “insecticide” ireny. Tokony madio avy nosasana tamin’ny rano sy savony foana ny tanana mikarakara sakafo, hisakafo, avy any amin’ny toeram-pivoahana. Tokony masaka tsara ny sakafo hohanina masaka ary ny hohanina manta madio tsara. Rano avy nampangotrahana foana no tokony sotroina. Iny rano avy mangotraka iny koa no hanasana sakafo hohanina manta. Tokony ho amin’ny antonony foana no habetsaky ny sakafo tsy mahazatra vavony. Isany, ohatra, ny atody, menaka, hena. Raha vao mitranga ny resaka fahapoizinana ara-tsakafo dia mamonjy dokotera. Mety hitranga amina olona iray, fianakaviana vitsivitsy, olona maro izany. Misy marary ny kibo dia mety maloiloy na mandoa. Mety mivalana koa na manotika fotsiny. Raha vao mitranga izay na minitra vitsivitsy na ora vitsivitsy dia mila manatona mpitsabo satria mety tsy ho fantatra ny tohin’izay, arakaraky ny tanjak’ilay fahapoizinana sy ny tanjak’ilay olona. Mety hiafara amin’ny hoe mifanintona na torana na sanatria maty mihitsy. Tsy dia tsara ny mitahiry sakafo fa raha azo atao dia tsara foana hoe zava-baovao no hohanina, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT