ara-dalàna ny taranaka faramandimby»
Zava-dehibe ho an’ny fanorenana tokantrano iray ny fisoratam-panambadiana ary tsapa amin’ny maha reny ny maha zava-dehibe izany ho an’ny taranaka ihany koa, hoy ny ben’ny tanàna ao Ambohibao Antehiroka, Toky Harilanto Andrianarivelo. Antony io, hoy izy, omaly, nikarakaràna izao fisoratam-panambadiana faobe izao mba ho fanentanana ihany koa ireo tokantrano eto anivon’ny kaominina hiditra ao anatin’ny ara-dalàna. Tsy ara-dalàna tsinona ny tokantrano maso. Ilaina sarihina amin’ny ara-dalàna ny taranaka faramandimby. Miisa 40 ireo mpanambady nahafeno ny fepetra afaka isoratra anivon’ny kaominina tamin’ity fisoratam-panambadiana faobe andiany faharoa ity. Efa maro ihany koa, ankoatran’izay ireo fiangonana efa nanentana ny mpino ao aminy hisora-panambadiana. Tafakatra teo amin’ny 97 isa teo ireo mpivady nisoratra tamin’ity taona ity. Antony mampihemotra ireo olona tsy hiditra amin’ny ara-dalàna matetika ny tahotra. Eo koa ny tsy fisiana sy fahasahiranana satria efa raiki-tampisaka anatin’ny saina ilay hoe ho atao soratra dia tsy maintsy manana akanjo vaovao na manasa fianakaviana. Miezaka ny kaominina, noho izany, maka ny antotan-taratasy ary misy mpanambady mihitsy aza hoe any Moramanga ny kopiany dia ny kaominina no miezaka miantso ny tomponandraikitra any an-toerana handefa izany aty Antehiroka. Misy hatrany Toliara aza fa io moa firaisankina no hery entina mampandroso ny tokantrano tsirairay dia tena manampy ny kaominina. Misy tsy manana akanjo aza dia tena mampanamboatra ny kaominina. Aorian’izao dia handeha indray ny didim-poitra faobe ny sabotsy izao. Zazalahy 25 mirahalahy izy ireo. Hisy ankoatran’izay ny hetsika ara-panatanjahantena maro sy ny podioma ao anatin’izao fetim-pirenena izao, izay hanomboka amin’ny fetin’ny mozika ny 21 jona izany, raha ny fanazavàna hatrany. Ny fahasahiranana sy fisalasalàna no tena sakana tsy nirosoanay tamin’izay fisoratam-panambadiana izay na dia efa 33 taona nanao tokantrano maso aza, hoy kosa ireo mpivady vao zokiny indrindra tao anatin’izao fisoratana faobe izao.
Nangonin’i J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.