Hentitra ny filoham-pirenena omaly alarobia 4 septambra nandritra ny filankevitry ny minisitra ka nanamafy ny tsy maintsy hahatanterahan'ireo minisitra tsirairay ny tetikasany ka nanomezany
toromarika ny tokony hanafainganana ireo pitsopitsony amin'ny dingana ara-panjakana arahina ao anatin’ny tsenan'asam-panjakana. Notsindriany manokana ny tsy maintsy handraisana fepetra mikasika ny fanararaotana ny fampiakaram-bidy ny entana ilaina andavanandro eny an-tsena (PPN) . Mila tsirihina ireo mpanafatra entana ka arahi-maso ny tahirin'entana ary angataham-panazavana izy ireo ny antony fiakaram-bidy nefa tsy miditra amin'ny maintso ahitra akory isika amin’izao fotoana. Tena mampitaraina ny isan-tokantrano tokoa ity sondrobidin’ny menaka sy siramamy, sira, labozia, savony, arina fandrehitra… ity tato anatin’ny 3 herinandro izao. Hatrany am-potony mihitsy no niakatra ny vidiny, hoy ireo mpaninjara. Inona no tena antony ? Io izany no hotsirihana sy arahi-maso akaiky manomboka izao. Tsy mazava aminay intsony ny zava-misy, hoy ny olona nanontaniana satria ny vidin-tsolika nidina fa ny vidin’entana niakatra. Efa ao anatin’ny fiomanana amin’ny fampidirana mpianatra anefa ireo ray aman-dreny. Nisy mihitsy aza no efa mianatra. Mampitombo ny fahasahiranan’ny isan-tokantrano io fiakaran’ny vidin’ny PPN io. Ho hita eo indray izay ho tohiny sy ny fahasahian’ny fanjakana manasazy satria efa fantapantatra ihany ireo mpanambola mpanafatra PPN eto. Ho sahy hanasazy ireo mpanararaotra tokoa ve ny fanjakana ?
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.