Sosialy

Fisondrotan-karaman’ny tsy miankina Hivoaka tsy ho ela ilay didim-panjakana


  • Zoma 15 Jolay 2022

Hivoaka tsy ho ela ny didim-panjakana mampihatra ny fisondrotan-karama ho an'ny mpiasa tsy miankina, ary efa eo an-dalam-pikarakarana izany ny tomponandraikitra, raha ny nambaran’ny praiminisitra Ntsay Christian ny

marainan’ny omaly 14 jolay 2022, nandritra ny fanokafana ny tetikasa momba ny fandrindrana ara-bola ny fampandrosoana ny angovo azo havaozina eto Madagasikara teny Ivato. « Ny zavatra misy, mbola misy fifampiresahana kely fa tena ao anatin’ny fotoana fohy dia hivoaka ny didim-panjakana. Nambara ombieny ombieny fa miakatra ny karama na ny an’ny Fanjakana na ny tsy miankina ny Fanjakana, ka ny fanatanterahana izany ho hataontsika izao », hoy ity tompon’andraikitra ambony ity. Efa roa volana mahery izay no niresahan’ny Filoham-pirenena. Efa ny volana aprily no nilazany fa tsy maintsy hiakatra ny vidin-tsolika, ary ho fanalehafahana ny fahasahiranan’ny vahoaka no nampiakarana ny karama. Ny an’ny mpiasam-panjakana nakarina avy hatrany, nihatra nanomboka ny volana may, ka 5 hatramin’ny 25% ny fiakarana, raha toa ka 250 000Ar ny karama farany ambany. Nisy ny fifampiresahan’ny Fanjakana notarihin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina sy ireo Vondron’ny mpandraharaha tsy miankina, ka taorian’izany no namoahan’ny Fanjakana fa nakarina ho 250 000Ar ny karama farany ambany, ary ankinina amin’ny mpampiasa ny fampiakarana ho an’ny karama ambonin’izany arakaraka ny sokajiny. Andrasana izay ho votoatin’ny didim-panjakana havoakan’ny Fanjakana. Hisy ihany koa ve ny fanonerana na « rappel » amin’izany satria ny tsy mpiasam-panjakana efa ny nanomboka ny volana may no nisitraka fisondrotana ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT