Sosialy

Fisondrotan-karama 11% Tsy mifanaraka amin’ny fidangan’ny vidim-piainana, hoy ny SSM


  • Zoma 26 Novambra 2021

Ho fanamarihana ny andro hiadiana amin’ny herisetra atao amin’ny vehivavy na ara-batana na saina na nofo dia nanao fanambarana tetsy amin’ny Le Glacier Analakely omaly ny firaisankina sendikaly eto Madagasikara na SSM

 fa mitaky izy ireo ny hanatsaharana izany herisetra amin’ny endriny rehetra atao amin’ny vehivavy izany sy ny mianjady amin’ny mpiasa tsy an-kanavaka na miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana. Mitaky koa ny hanitsiana ny karaman’ny mpiasa tsy an-kanavaka hifanaraka amin’ny fidangan’ny vidim-piainana tena izy izay efa mahatratra 30% raha oharina amin’ny fisondrotan-karama ny taona 2019. Takiana ny handaniana ny volavolan-dalana momba ny sata vaovao mifehy ny mpiasam-panjakana eny amin’ny parlemanta mba tsy ho ela fa hivoaka ho lalana manan-kery. Herintaona izao no namolavolana ny fanavaozana ifotony ny sata mifehy ny mpiasam-panjakana niarahan’ny sendika tamin’ireo tekinisianin’ny minisiteran’ny asam-panjakana. Volavolan-dalana mifanaraka amin’ireo fifanarahana iraisampirenena laharana faha 151 sy 154 an’ny OIT izay efa nankatoavin’I Madagasikara ny taona 2018. Nosoniavin’ny filoham-pirenena tany Geneve ny jona 2019 ary efa nipetraka ho lalana manan-kery ny jona 2020. Miantoka ny fitoniana sy miteraka asa fampandrosoana eto amin’ny firenena io. Sintomina noho izany ny lakolosy ny amin’ny hanovana ilay fisondrotana 11% voarakitry ny lalana mifehy ny tetibola izay mbola handalo eny amin’ny antenimieran-doholona fa tsy mifanaraka amin’ny fidangan’ny vidim-piainana intsony. Be dia be ny zo fototra tokony ho an’ny mpiasa ao anatin’ny sata mifehy ny asam-panjakana nefa tsy omena azy. Maika ny fandinihana izany eny amin’ny parlemanta, hoy hatrany izy ireo.
J. Mirija
Legende: Ny filohan’ny SSM, Herizo Andrianavalona sy ireo mpikamban’ny SSM omaly
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT