Sosialy

Fisondrotam-bidim-piainana Vahaolana ny fahaiza-mifehy ny baingam-bola


  • Talata 18 Jona 2019

Tsy misy afa-tsy ny fahaiza-mifehy ny vola mivoaka mivezivezy ivelan’ny Banky na ny baingam-bola ankapobeny (Masse Monetaire) no ahafahana mifehy ny fidangam-bidim-piainana.

 

Io baingam-bola io foana matetika no mitondra fiakaran’ny vidim-piainana, araka ny fanadihadiana ataon’ireo mpahay toekarena. Mety mitondra fisondrotam-bidim-piainana anatin’ny fotoana fohy (court terme) ny vidin’ny barilana solitany any ivelany, ny lalana tapaka izay miteraka fisondrotan’ny vidin’entana saingy tsy maharitra. Io baingam-bola io ihany, hoy ny mpahay toekarena no fehezina ny fiovaovany dia handeha araka ny tokony ho izy ny fampandrosoana. Rehefa tsy voafehy io dia mikatso ny tombantombana ataon’ny mpandraharaha hanaovana famokarana. Rehefa izay anefa dia midina ny vola miditra ka miteraka fitarazohan’ny fahantrana. Antom-pisian’ny Banky Foiben’i Madagasikara (BFM) ny hahamarin-toerana ny vidin-javatra ary hitazona ny tahan’ny fisondrotam-bidim-piainana ho ambany ary tsy hiovaova be. Ankoatra izay, miezaka ny BFM hampatanjaka hatrany ny Ariary hahatsara ny toekarena. Izany anefa dia miankina amin’ny fahamarinan-toerana ara-bola eto amin’ny firenena izay himatimatesan’ny BFM hatrany.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT