Sosialy

Fisolokiana sy filokàna an-dalam-be Olona 4 no nosamborina tetsy Analakely


  • Alarobia 08 Jona 2022

Olona miisa 04 no nosamborin’ ny Polisim-pirenena avy ao amin’ny SUT (Sureté Urbaine de Tana) teo Analakely ny zoma 03 jona 2022 lasa teo rehefa nisoloky tamin’ny alalan’ny lalao “Mena mahazo”.

Vehivavy ny 02 tamin’ireo voasambotra ireo. Mody milalao sy mahazo koa izy 2 ireo hisarihana ny hafa hanatona ilay filokàna an-dalam-be. Rehefa mahita an’izany ireo olona izay jonoiny dia roboka miloka ihany koa kanefa tsy mahazo akory ka dia very vola. Manoloana ny tranga fisolokiana sy filokàna an-dalam-be izay voararan’ny lalàna toy izany dia nandray andraikitra avy hatrany ny Polisy avy ao amin’ny SUT ka nisambotra ireto mpisoloky ireto sy ireo mpiray tsikombakomba aminy. Tamin’ny fanadihadiana no fantatra fa toerana be olona toa an’Analakely sy Anosibe no fanaovan’ireto andian’olona ireto izao asa ratsiny izao, ary efa betsaka ny olona voasolokiny tamin’izany. Natolotra ny fampanoavana omaly izy ireo ary efa naiditra am-ponja vonjimaika.
Nangonin’i Pati
Legende : Ireto izy 4 mianadahy
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT