Sosialy

Fisitrahana ny Tosika Fameno Tena henjana ny fanadihana ifotony atao


  • Alatsinainy 11 Mey 2020

Na dia samy hiantrakain’ny fahasahiranana noho ny fiatrehana ny ady atao amin’ny tsimokaretiny Covid-19 sy ny fepetra fihiboana miaraka aminy azy ny olona rehetra tsy an-kanavaka dia samy mba maniry avokoa hisitraka an’ilay 100.000 ariary avy amin’ny Tosika Fameno “

 

 

Ankohonana mitraka” omen’ny fanjakana ankehitriny. Raha tena ara-dalàna, hoy ny maro, ny antontan’isa hananan’ny fokontany tsirairay avy mikasika an’ireo mponina ao aminy dia nety tsy nanontsarotra be tahaka izao ny fizarana an’izany fanampiana izany nefa noho ny tsy fiaian’izany matotra dia voatery niroso tamin’ny fanadiadiana ifotony isam-pianakaviana ny tompon’andraikitra hisivanana an’ireo izany teny mendrika ho tohanana. Tena mazana anefa ny miatrika an’izany fanadihadiana ifotony izany fa ankoatra ny fanadihadiana hatao amin’ilay olona sy ny ankohonana miara-mipetra aminy tsirairay avy ka hanontiana mivanta ny momba azy sy ny vadiny ary ireo zanaka naterany . Anontaniana an-kandrina ao ananatin’izany ny daty sy toerana nahaterahan’ireo ankohonana tsirairay ireo na firy na firy . Mbola hanontaniana koa ny trano hipetrahana na trano hazo na trano biriky (biriky tany sa birika tanimanga ?). Tena famotora tahaka amin’ny an-tsipirihany mihitsy no atao, hoy ireo efa niatrika an’izany , ka tena “mbola misitery ry zanako” ny mety hahazoana ilay fanampiana na mety hahazo aza fa dia efa hampiomanina dieny mialoha ny saina na dia sahirana velona ohatra ny inona efa fantatry ny fiarahamonina izao aza ny tena amin’ny an-davanandrom-piainana.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT