Fisitrahana ny AGOA ho tapitra ny septambra

Ahiana mafy tsy ho voatazona i Madagasikara…


  • Alarobia 26 Febroary 2025

Ho tapitra ny volana septambra ho avy izao ny fe-potoana fahafaha-misitraka ny tsenan’ny AGOA

African Growth Opportinuties) fanomezan’ny Firenena Amerikanina tombondahiny ara-barotra ahafa-manondrana malalaka ny entana avy amin’ny Firenena Afikanina makany aminy. Baraingo hatreto ny tohiny eo anatrehan’ny politika ara-barotra sy ara-toekarena entin’ny Fitondran’i Donald Trump. Anisan’ireny ny namolavolana fepetra hampiakatra 25% ny haba alainy amin’ireo Firenena mpifaninana mivantana ara-toekarena sy ara-barotra aminy toa an’i Chine. Tsy azo hamaivanina ny Tsenan’ny AGOA izay raha ny 2023 fotsiny ohatra, dia nahatratra 9,7 miliara dolara ny tsena nositrahan’i Afrika, ka i Nigéria no nisitraka betsaka indrindra izay nahatratra 3,8 miliara dolara, faharoa i Afrika Atsimo nahatratra 3,6 miliara dolara, raha 339 tapitrisa dolara kosa ny an’i Madagasikara. Fepetra apetrak’i Etazonia amin’ny AGOA raha fintinina tsotsotra ny : ara-politika sy ara-toekarena, izay manipika fa ny firenena dia tsy maintsy mampihatra ny fitsipika demokratika, manaja ny zon'olombelona, tena miady amin’ny kolikoly, ary manatanteraka ny fanavaozana ara-toekarena mifanaraka amin'ny fenitra iraisam-pirenena. Fepetra ara-pitantanana: Ny firenena dia tsy maintsy manana rafitra mazava sy mangarahara amin'ny fitantanana ny varotra, anisan'izany ny fanafoanana ny sakana ara-barotra sy ny fanamorana ny fidiran'ny vokatra any amin'ny tsena amerikana. Manampy ireny ny fepetra momba ny vokatra aondrana dia tsy maintsy mahafeno ny fitsipika momba ny fiavian'ny entana (rules of origin) araka ny voalazan'ny AGOA,… Raha hita fa tsy manaraka ireo fepetra takiana ny firenena iray, dia azo esorina amin’ny lisitra izany, ary tsy afaka manondrana entana amin'ny tombontsoa omen'ny AGOA intsony. Isan’ny hamafisin’ny Amerikanina fa ny Firenena dia tsy maintsy mampihatra politika mifanentana amin'ny fenitra iraisam-pirenena momba ny asa, ny tontolo iainana, ary ny ady amin'ny kolikoly. Tena voahaja ve ireo ? Voadio ve ny laza ratsin’i Madagasikara mikasika ny fitantanana tsy mangarahara sy ny kolikoly raha tsy hilaza afatsy ny fitantanana ireo fanampiana iraisam-pirenena amina miliara dolara tamin’ny vanim-potoanan’ny coronavirus ? Manana ambasadaoro any Etazonia isika fa moa tena afaka miantoka sy matoky ve ny Fanjakana fa ho voatazona ho mpisitraka ny AGOA i Madagasikara ?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

Hijery ny tohiny
FTT