Sosialy

FISEMARE «Tsy voajerin’ny Fanjakana intsony ny mpiasa Malagasy»


  • Alakamisy 20 Aprily 2023

Mikorontana ny tontolon’ny asa eto Madagasikara, hoy ny avy eo anivon’ny Firaisamben’ny sendikan’ny mpiasa malagasy revolisionera na FISEMARE.

Tsy voajerin’ny fanjakana intsony, hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Mananandro Jean Raphael, ny mpiasa eto Madagasikara. Mbola tsy nisy teo amin’ny tantara izany karama midina izany fa amin’izao misy mpampiasa sahy manao an’izany eto Madagasikara. Tsy mifanaraka amin’ny karama raisin’ny mpiasa isan’andro ny fisondrotry ny vidim-piainana. Miha midina hatrany ny fahefa-mividin’ny mpiasa malagasy. Tsy misy vahaolana entin’ny fitondram-panjakana mikasika izay zavatra izay hatreto. Ahiana hiteraka tsy fandriampahalemana izany amin’ny ankapobeny. Manginy fotsiny ny tsy fananan’asa. Ny fametrahana izany atao hoe «sécurité social universel» izany no tokony fotodrafitrasa tsara indrindra apetraky ny fanjakana izao. Eo koa ny fametrahana karama mahavelona ny tsirairay avy. An-dalana hifampinana ny malagasy raha izao no mitohy. Na ny mpampiasa aza miaiky fa tsy mahavelona intsony izany karama 250.000 Ariary izany. Tokony 1.000.000 Ariary no karama farany ambany eto Madagasikara, hoy ny fanehoan-kevitra. Azo atao ny mametraka izany, hoy ireo mpampiasa fa miandry ny fahavononan’ny fanjakana. Anjaran’ny fanjakana no mifehy ny vidim-piainana fa azo fehezina io. Misy kajy azo atao mikasika an’io karama io. Isika malagasy mazoto miteraka. Maka ohatra isika hoe tokantrano iray manan-janaka miisa 4 dia manao ahoana ny fandaniany anaty 1 volana raha toa ka efa 200.000 Ariary izao ny vary iray gony amin’ilay ratsy kalitao? Vary fotsiny izany dia efa 50.000 Ariary sisa ambim-bolanao raha ohatra ka ilay karama farany ambany no raisinao. Raha sanatria marary izany ny mpiasa anaty tokantrano iray dia efa tsy misy tokontaniny. Tokony hitady vahaolana ahazoan’ny vahoaka fitsaboana maimaimpoana izany ny fanjakana. Ny fanabeazana koa tokony ho maimaimpoana. Aoka izay ny tsy fijerena ity tontolon’ny asa eto Madagasikara ity fa leon’ny fahantrana ny vahoaka malagasy, hoy hatrany ny FISEMARE.
J. Mirija
Legende : Ry zareo ao amin’ny FISEMARE
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT