Sosialy

FISEMARE « Maro ny mpiasa vehivavy mitaraina iharan’ny herisetra ara-nofo »


  • Alakamisy 09 Martsa 2023

Arahabaina ny vehivavy maneran-tany, indrindra, ny vehivavy malagasy rehetra amin’izao 8 martsa, andro natokana ho antsika rehetra izao,

hoy ny lehiben’ny departemanta misahana ny vehivavy eo anivon’ny firaisamben’ny sendikan’ny mpiasa malagasy revolisionera na FISEMARE, Landy Vola Rakotoharinoro. Tolona tany Eoropa sy Amerika no nipoiran’ny andro iraisampirenena ho an’ny zon’ny vehivavy na 8 martsa, hoy izy. Hetsik’ireo vehivavy misehatra amin’ny fanenoman-damba no niteraka fifandomana teo amin’izy ireo sy ny mpitandro filaminana ary naha maro ny aina nafoy. Ny 1977 no namoahan’ny firenena mikambana fanambarana ny amin’ny tokony hanamarihana ny andron’ny vehivavy isaky ny 8 martsa. Iray amin’ireo andro iraisampirena 67 neken’ny firenena mikambana ny andro iraisampirenena ho an’ny vehivavy. Hita ho mbola tsy voahaja tanteraka eto Madagasikara ny zo mifandraika amin’ny asan’ny vehivavy. Mbola tsy tratra ny miralenta. Voahilikilika izy eo amin’ny lafiny asa. Isany ohatra ny vehivavy bevohoka sy mampinono. Toy izany koa ny vehivavy efa nahazohazo taona raha mitaha amin’ny vehivavy mbola tanora. Ain’ny orinasa foana ny manilika azy ireny amin’ny fanaovana asa tsy zaka, famindrana azy amina toeran-kafa, fisotroan-dronono mialohan’ny fotoana. Tena manjaka ny herisetra mihatra amin’ny vehivavy ankehitriny. Misedra herisetra ara-nofo amin’ny afitsok’ireo mpampiasa ny vehivavy eo amin’ny fitadiavana asa. Indrindra rehefa misitraka ilay asa ka miakatra grady, ohatra, dia misy takalony vao omena azy na dia mendrika azy aza izany. Saika mitaraina ho iharan’izany avokoa izay tonga manatona ny FISEMARE, hoy hatrany ny tenany.
Legende : Landy Vola Rakotoharinoro, avy ao amin’ny FISEMARE
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT