Sosialy

FISEMA Mitaky ny famerenana ny zon’ny mpiasa


  • Alakamisy 26 Novambra 2020

Nitondra ny raharaha jeneraly Garimainty teny amin’ny fitsarana Anosy omaly ny avy eo anivon’ny Fisema Analamanga.

Araka ny fanazavan’izy ireo dia mikasika ny resaka tsy fandoavan’ny mpampiasan’izy ireo ny CNaPS an’ireo mpiasa nandritry ny 5 taona io. Navezivezy nandritry ny 1 taona fa tsy naverina tao amin’ny toeram-piasana koa ireo mpiasa lasibatr’izany. Efa fandroahana an-kolaka ireo mpiasa izany, hoy hatrany ity sendika izay niatrika fitsarana omaly ity. Zara raha nisy 4 isa teo ireo mpiasa naverina raha nisy. Matoky ny fahendren’ny fitsarana izahay, hoy izy ireo, mba hahazoan’ireo mpiasa ireo ny zony ara-dalana. Miisa 350 moa ireo mpiasa voakasik’ity raharaha ity ary ny 100 tamin’izay no niakatra fitsarana omaly. Nampatsiahy ny Fisema fa efa nisy ny fitokonana nataon’izy ireo ka nampiakatra azy ny atao hoe “conseil d’arbitrage”. Toromarika tamin’izay ny hoe tsy maintsy miverina miasa sy misitraka ny fiahiana sosialiny ara-dalana isan-taona ireo mpiasa. Tsy izay anefa no nitranga ka nahatonga anay nampiakatra ny raharaha, hoy izy ireo. Izay no anton’ny fitsarana anio (TTF: Omaly). Tara ny mpisolovava ny mpampiasa ka ny janoary 2021 izao dia hitohy amin’ny fitakiana ny famerenana ny zon’ny mpiasa ny fitsarana, hoy hatrany ny firaisan’ny sendikan’ny mpiasan’i Madagasikara.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT