Ao anatin’ny vanim-potoana fifidianana ny solontenan’ny mpiasa eny anivon’ireo orinasa ankehitriny
ny avy eo anivon’ny FISEMA na Firaisan’ny sendikan’ny mpiasan’i Madagasikara eto Analamanga. Nampatsiahivina sy nampahafantarina tetsy amin’ny Bucas Antanimena, noho izany, omaly, ireo adidy miandry izany atao hoe solontenan’ny mpiasa izany. Ireo mpiasa anaty orinasa ihany no omen’ny sendika alalana ho ao anatin’ny delegen’ny mpiasa na solontenany. Manelanelana ny mpiasa amin’ny mpampiasa ary mitatitra ny fitakian’ireo mpiasa amin’ny mpampiasa izy ireo, hoy hatrany ny fampatsiahivana. Manana tanjona ny hiezaka hanakaiky kokoa ny mpiasa izahay ho amin’ity taona vaovao ity, hoy ny fanazavan’ny sekretera jeneralin’ny FISEMA, Lovasoa Fetra Harinoromalalatiana. Mila mihaino ny olana mianjady amin’ny mpiasa andavan’andro izahay ahafahanay mandray fepetra hiarovana azy ireny. Betsaka ny zavatra tsy hitan’ny olona fa ilay zavatra miseho isan’andro no hitan’ny olona. Ohatra hoe fandroahana. Io fotsiny no hita sy voizina. Ny resaka herisetra na “harcèlement” izao, indrindra, ny atao amin’ny vehivavy dia ohatry ny hoe vono foana na ilay zavatra tonga dia hita mibaribary mihatra na ratra amin’ny mpiasa lehilahy sy vehivavy. Ilay herisetra tena mihatra aminy izay tsy vono fa manindrona fo ary mandratra ny anatiny rehetra mety hiteraka rarintsaina sy aretim-po dia lasa tsy hita nefa tena betsaka mitranga any anaty toeram-piasana ireny. Tsy maintsy miezaka ny hanatona ny mpiasa izahay, noho izany, mba hahafahany mahatoky anay. Ho ataonay vain-dohan-draharaha ny ezaka fametrahana solontenan’ny mpiasa isaky ny orinasa. Raha manosi-boho-tanana anay moa ireo mpampiasa dia tsy vonon-kitady vahaolana fa hamboly olana, hoy hatrany izy ireo.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.