Sosialy

Firaisankinan’ny mpiasa Malagasy « Ataovy vaindohan-draharaha ny olombelona »


  • Talata 17 Janoary 2023

Ny valaben’ny firaisankinan’ny mpiasa malagasy na SSM dia nanao fanambarana tetsy amin’ny Arrupe Faravohitra omaly fa ny 18 febroary izao izy ireo no hifampiarahaba tratry ny taona ao Antsahamanitra.

Misy, hoy izy ireo, ny taratasy nalefa tany amin’ny filoham-pirenena ny 5 desambra 2022 izay nangatahana teboka miisa 13 dia ny sata ankapoben’ny mpiasam-panjakana izay efa tokony nolaniana hatramin’ny taon-dasa nefa tsy hita hatramin’izao hoe aiza ny tohiny? Faharoa ny fitakiana ny tokana hanaovana sonia ny fifanarahana 190 tokony natao ny volana jona 2020. Fahatelo ny fanitsiana sy fampiharana ny sata mifehy ny fiahiana sosialy. Fahaefatra ny fampiharana karama farany ambany 250.000 Ariary ho an’ny orinasa tsy miankina. Fahadimy, fanatsaharana tsy misy fepetra ny antsojay atao amin’ny mpitarika sendika. Fahaenina, fanendrena ireo tompon’andraikitra na “points focaux” an’ny sendika eny amin’ny minisitera rehetra mifandraika amin’ny sendika. Fahafito, fandoavana ara-potoana ny karaman’ny mpiasa. Fahavalo, fandoavana karama sy tambin-karama samihafa an’ireo notapahana karama toy ny mpiraki-draharaha sy ny hafa rehetra. Fahasivy, fandoavana ny volan’ny banky. Fahafolo, fandoavana ny famenon’ny retirety na “complément des installations à la retraite”. Faha 11, fampitomboana ny tambin-karaman’ny mpampianatra sy mpiasan’ny fahasalamana. Faha 12, fampiakarana ho 200.000 ny tambin-karama momba ny fonenana. Fanitsiana ihany koa ny tondrozotra. Faha 13, izay tarehimarika tian’ny filohantsika, dia ny fanamorana ny fampidirana ireo sehatra tsy manara-drafitra na “informel” anatin’ny sehatry ny ara-dalàna. Nalefa tany amin’ny filoham-pirenena, praiminisitra, filohan’ny antenimieran-doholona, filohan’ny antenimieram-pirenena, minisitry ny tetibola, minisitry ny asam-panjakana ireo. Fantatsika tsara fa misedra fahasahiranana mafy ny mpiasa sy olompirenena ankehitriny ka rariny sy hitsiny raha mba hatao vaindohan-draharaha ny olombelona manoloana zavatra hafa, hoy hatrany ny SSM, niantso ny mpitondra hanao vaindohan-draharaha ny olombelona.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT