Manana anjara toerana lehibe amina firenena iray ny firaisamonim-pirenena sivily,
indrindra amin’ny tany an-dalam-pandrosoana. Ireny amin’ny ankapobeny no anisan’ny manabe ny fiarahamonina ho olom-pirenena ankoatra ny fahaizana amam-pahalalana mety tovozin’ny tsirairay miainga amin’ny manodidina azy sy ny zavatra iainany. Ireny no manentana ny vahoaka handray anjara amin’ny adidy sy andraikitra ilan’ny firenena azy ankoatra ny fampahalalam-baovao samihafa, toy ny amin’ny resaka fifidianana. Manao ny fanentanana isan-karazany sy mizara ny fahalalana ilain’ny olom-pirenena izy ireny, saingy raha atao indray mijery dia tsy mbola tena miantraika amin’ny olom-pirenena izany. Mety ho noho ny havitsiana fa mety ny sehoseho ivelany sy ny atrikasa sy ny fivoriana no betsaka fa ny fampiharana tena mbola lavitry ny kitay ny afo. Tsy takona hafeninana ihany koa fa zary fitadiavana famatsiam-bola avy any ivelany indraindray ny fananganana firaisamonim-pirenena eto amintsika. Mety misy ihany no manao ny ainy tsy ho zavatra saingy mbola mila fifanomezan-tanana ny fanabeazana ny vahoaka handray andraikitra ary mila ezaka bebe kokoa sy fifanomezan-tanana, ary indrindra fahatongavan-tsaina feno amin’ny maha olom-pirenena fa tsy hiraviravy tànana mandrakariva.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.