Sosialy

Fiovaovan’ny toetr’andro Tsy maintsy ampivadiana amin’ny fambolena


  • Talata 26 Novambra 2019

Miha mivoatra hatrany ny fahapotehan’ny tontolo iainana kanefa tsy dia hifantohan’ny fiarahamonina.

 

 Efa misy tetikasa mandeha iarahan’ny minisiteran’ny tontolo iainana sy ireo mpiara-miombon’antoka mba hampidirana bebe kokoa ny fanabeazana ara-tontolo iainana eny amin’ny ambaratonga fototra amin’izao, hoy ny tompon’andraikitra misahana ny fampiofanana sy fanabeazana ary serasera ara-tontolo iainana eo anivon’ny minisiteran’ny tontolo iainana, Claude Rakoto. Tetikasa efa mandeha io. Ezaka koa ny hampidirana ny fampifandrindrana ny asa andavanandron’ny olona amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro toy ny sehatry ny fambolena sy fiompiana amin’ny alalan’ny fanamboarana ny masomboly ampiasaina sy ny fotoana hanatontosana ny asa. Efa misy ny fikarohana manokana ataon’ny FOFIFA, ohatra, eo amin’ny lafiny masomboly ary ny masomboly vokarina izao dia ezahana aparitaka ny fomba fampiasana azy. Misy fikambanana izay izarana ny tetiandro ahafahana mamboly arakaraka ny toetr’andro misy koa. Tsy maintsy ampivadiana amin’ny fambolena ny fiovaovan’ny toetr’andro, hoy hatrany izy.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT