Sosialy

Fiovaovan’ny toetr’andro Nahatratra 253 ireo olona efa novonjena teny an-dalambe


  • Alakamisy 31 Oktobra 2019

Betsaka ireo karazana tranga miseho eto amintsika vokatry ny fiovaovan’ny toetr’andro.

 

 

 

 Vao tamin’ny alahady lasa teo dia olona efatra no indray  maty an-drano nalain’ny sampana mpamonjy voina etsy Tsaralalana vokatry ny hafanana diso tafahoatra.  Olona namonjy renirano avokoa izy ireo. Ekena, hoy ny Kapiteny Razandrabe Parfait Mamy, tompon’andraikitra voalohany ao Tsaralalana  fa mila mandro matetika ny olona mba hampangatsiaka ny vatany saingy mila mitandrina kosa amin’ireo rano mandeha. Misy amin’izy ireny mantsy no misy lava-biriky izay marihina fa mahafaty haingana tokoa. Ankoatra izay dia olona manodidina 253 isa no nanaovan’izy ireo asam-pamonjena teny an-dalana  nanomboka ny volana janoary lasa teo izay mbola vokatry ny hafanana diso tafahoatra ihany. Misy amin’ireny karazan’olona ireny no torana  fa tsy mahazaka raha misy koa ireo narary avy hatrany. Nomarihin’ny teo anivon’ny sampana mpamonjy voina moa fa miezaka mamono afo amin’ireo doro tanety mitranga ihany koa izy ireo hahafahana miady amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro. Efa miparitaka manerana ny faritra maro mantsy ny doro tanety ankehitriny na dia ny manodidina an’Antananarivo aza.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT