Sosialy

Fiovaovan’ny toetr’andro Mamparefo ny fahasalaman’ny zokiolona


  • Zoma 31 Aogositra 2018

Miovaova be ihany ny toetr’andro eto amintsika. Mangatsiaka ny maraina, mihamafana amin’ny antoandro ary migaingaina mila tsy ho zaka mihitsy indraindray.

 
Misy fiantraikany goavana amin’ny fahasalaman’ny zokiolona ny fisian’ireny tranga ireny, raha araka ny fanazavan’ny dokotera Ratafika. Ankoatra ny tsy fahampian-drano mety hahazo azy ireny mantsy dia mikorontana ihany koa ny toe-batany ka mety hampiakatra be na hampidina be ny tosidrany. Mety handeha ra ihany koa ny oron’ny zokiolona ka ilana fitandremana. Vahaolana aroson’ity mpitsabo ity ny tokony hisotroana rano betsaka. Toraka izany ny fandehanana amin’ny toerana na faritra malomaloka ka manaraka andro aza rehefa mangatsiaka iny dia tsy tokony hijanona ela. Nomarihin’ity dokotera ity fa mety hiteraka aretina maro samihafa eo amin’ny zokiolona ihany koa ny faharefon’ny toe-batany.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT