Sosialy

Fiovan’ny kalitaon’ny rano Nivondrona hamonjy an’Andraikiba ny fikambanana maro


  • Alatsinainy 10 Aogositra 2020

Taorian’ny fandinihana natao nahitana fa miha ratsy ny kalitaon’ny rano ao amin’ny farihin’Andraikiba dia nivondrona ny avy eo anivon’ny Jirama ao an-toerana, ny fiadidiana ny faritr’I Vakinankaratra,

 

 

 

 

ny fitaleavana rezionaly momba ny tontolo iainana ary ny fikambanana “Sauver Andraikiba” fa ilaina ny mamboly hazo manodidina ity farihy manan-tantara ity. Mbola ho famonjena ity vakoka ity hatrany dia nanapa-kevitra ireto mpiara-miombon’antoka ireto fa hametraka toerana fanasan-damba isaky ny kaominina. Maro amin’ireo mpanasa lamba, raha ny fampitam-baovao, no manana fahazaran-dratsy hanao ny farihy ho fanasan-damba. Fepetra tsy maintsy raisina maika araka izay azo atao ihany koa, araka izany, ity fampitomboana ny toeram-pisasana sy fanasan-damba isaky ny kaominina ity, hoy hatrany ny fanazavana.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT