Sosialy

Fiompiana sy fambolena Tantsaha 165 notolorana fampitaovana


  • Talata 05 Aprily 2022

Nisitraka fanampiana ara-pitaovam-pamokarana sy famatsiana biby fiompy (omby, ondry) ahafahan’izy ireo mampivelatra sy mampiroborobo ny sehatra fiompiana izay efa niveloman’izy ireo teo aloha ny vondrom-pamokarana

 miisa 8 ao anatin’ny faritra Ihorombe. Ondry miisa 258, omby vavy be ronono miisa 2, sy kibôta miisa 2, no natolotry ny minisiteran’ny fambolena sy fiompiana ireto vondrona ireto, izay ahitana mpamokatra miisa 165. Angady nananana sy vy nahitana izany ny FDA (Fonds de Développement Agricole), izay vatsian’ny FIDA (Fonds International de Développement Agricole) vola, ka ny Kaominina Ankily, Tolohomiady ary Ambia no nisitraka ny fanolorana ny fitaovana sy hanam-pamokarana andiany faharoa avy amin’ny Ministeran’ny Fambolena sy Fiompiana (𝗠𝗜𝗡𝗔𝗘), ho an’ireo tantsaha mpamokatra mpahazo tombontsoa novatsian’ny FDA Ihorombe vola, vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny Fandaharanasa « DEFIS » izay famatsiambolan’ny 𝗙𝗜𝗗𝗔. Tohin’ny fandaharan’asan’ny PROSPERER izao, izay misahana ny fanohanana ny tantsaha mpamokatra hisandratra sy hanatsara ny seha-piharian’izy ireo ho fandraisana anjara amin’ny fahatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Tanjon’ny tohana ny fanatsaràna ny vokatra amin’ny fambolena vary, fiompiana ondry sy omby vavy be ronono ho an’ireto fikambanana, ka hanatraràna ny fahavitantena ara-tsakafo sy ny firosoana amin’ny maha matihanina ho an’ireto mpamokatra, araka ny velirano faha-9 sy faha-6, hoy ny tatitra. Raha 65 hektara teo aloha ny tany novelana vary dia lasa 137 hekitara izany ka ahazoana vary 205 Taonina. Ezaka izay miankina voalohany amin’ny andraikitry ny MINAE ary mifantoka amin’ny fanampiana ireo tantsaha eny ifotony sy any ambanivohitra, miparitaka manerana ny faritra eto Madagasikara, hoy hatrany io Minisitera io.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT