Sosialy

Fiompiana manara-penitra Fanoitra iray hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo


  • Zoma 09 Desambra 2022

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy omaly ny eny amin’ny kianja Barea Mahamasina ny tsenabe iraisampirenena momba ny fiompiana sy ny vokatra azo avy aminy,

na FIEPA andiany voalohany. Mandritra ny 4 andro izy ity ary hetsika iray entina hamporisihina ny amin’ny fampiasam-bola vaovao ho fampisandratana ny sehatry ny fiompiana sy fandraisana anjara amin’ny ezaka fahavitan-tena ara-tsakafo.Mila vokatra azo avy amin’ny fiompiana entina mivelona sy miasa isika, vokatra ilain’ny vatana tomady iadiana amin’ny valanaretina mba hahazoana tanjaka, hoy ny minisitry ny fambolena sy ny fiompiana Harifidy Ramilison nandritra ny lahateniny. Efa iaraha-mahalala fa andry iainkinan’ny fampandrosoana eto Madagasikara ary manana anjara toerana lehibe eo amin’ny ara-tsosialy sy toekarena ary ara-kolotsaina mihitsy aza, ny fiompiana . Ary mbola fanoitra lehibe ho entina hanatrarana ny velirano faha 9 fahavitan-tena ara-tsakafo ho an’ny isan-tokantrano. Ka noho izany dia ilaina ny paikady fampiroboroboana fotodrafitrasa, fitaovana, ny fomba famokarana ny fitahirizana ny vokatra izay mbola tsy zakan’ireo mpamokatra madinika, hoy ny minisitra.Paikady lehibe efa nankatoavina tamin’ny herintaona io ; manampy izany dia fotoana ihany koa izao ahafan’ireo mpiara-miombon’antoka mitrandraka loharanon-karena hafa, hoy hatrany minisitry ny fambolena sy ny fiompiana.Hita mandritra ny FIEPA eny amin’ny kianja Barea moa ny fampirantiana ireo biby fiompy , manana karazany tsara eto an-toerana sy avy any ivelany, ny fomba fiompiana mahomby mifanaraka amin’ny ny toe-tany, mifanaraka amin’ny vokatry ny fikarohana ara-eknika sy ara-teknolojika eo amin’ny sehatry ny fiompiana.Misy ihany koa ny dinidinika manokana momba fifandraisana ara-barotra sy fifanakalozan-kevitra entina manatsara ny lalam-pihariana fiompiana. Manana i Madagasikara raha biby fiompy no resahana, ahazoana vokatra isan-karazany izy ireny saingy tena mbola mila fanatsarana sy fampanaharahana fenitra mba hahazoana tombotsoa tokoa ho an’ny rehetra, na ny mpiompy io , na ny mpanjifa na ny firenena mihitsy aza.
Nangonin’i RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT