Sosialy

Fiompiana kisoa sy omby Olona 300 nahazo fiofanana teny Alasora


  • Alakamisy 23 Mey 2019

Nitady vahaolana hahafahan’ny isan-tokantrano manatsara ny fidiram-bolany ny kaominina Alasora, izay ahitana fokontany 20 isa.

 

 

 

Ny fanatsarana hatrany ny sehatry ny fiompiana no hitan’ny Ben’ny tanàna Marc Ramiaranjatovo sy ny Farmshop fa vahaolana ka olona manodidina ny 300 no nahazo fiofanana maimaimpoana. Vehivavy avokoa ny 250 tamin’izy ireo, niofana in-droa isan-kerinandro nandritra ny iray volana. Anisan’ny nampianarina ireo mpiofana tamin’izany ny resaka fiompiana akoho, kisoa, trondro ary ombivavy be ronono. Omaly no nozaraina tamim-pomba ofisialy ny mari-pankasitrahana nomena azy ireo izay tsy hifarana hatreo akory. Nambaran’ny Ben’ny tanàna Marc Ramiaranjatovo fa mbola hofanina manokana momba ny “gestion” sy ny “management” indray ireo mpiofana ireo ary asaina mandrafitra tetikasa avy eo. Hotsarain’ny Farmshop sy ny kaominina izany ka izay tetikasa 150 isa mendrika indrindra dia hahazo famatsiam-bola 2 hetsy Ar isan’olona hahafahany manatanteraka ny faniriany.

 

Pati sy Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT